Lehilahy iray manodidina ny 47 taona no hita faty tao anaty tatatra manondraka tanimbary teny Antsorindrana, Anjozorobe, ny marain’ny alakamisy lasa teo. Raha ny vaovao azo dia efa tsy hita izy io nanomboka afak’omaly, raha nilaza fa ho eny an-tanimbary, izay tsy lavitra ny toerana nahitàna ny vatana mangatsiakany. Hatairana tokoa ny an’ireo mponina teo an-toerana raha nahitàna ity vatan’olona nihohoka tao anaty tatatra, tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo ho eo. Nampandrenesina avy hatrany ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ary natao ny fisarihana ny razana ho eny an-tanety. Nisy namono sa latsaka ho azy tao anaty tatatra ? Marihana fa tsy dia lalina ireny lakan-drano mpanondraka tanimbary ireny, ary ny nahitàna azy, araka ny angom-baovao azo hatrany dia sahabo ho 30sm ny halaliny ary nisy teo amin’ny roa metatra teo ny sakany. Tamin’ny fitsirihana ny razana ihany koa dia tsy nahitàna ratra na diam-bono ny vatany. Heverina araka izany dia mety hoe nianjera tao amin’io tatatra io ilay rangahy ary tsy tafarina ka maty an-drano. Saingy vinavina ihany moa. Efa nandray an-tanana ny raharaha tamn’ny fanokafàna ny fanadihadiana ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Ny razana kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirahan’ireo mpitsabo. Marihana fa mponina amin’io tanàna io ihany ity lehilahy ity ary fantatry ny rehetra.
Nangonin’i m.L