Habibiana tsy roa aman-tany no niseho tao Ambatotokana-Tsarahasina, fokontany eo anivon’ny kaominina Ambohimangakely. Tamin’ny 12 ora sy 15 minitra, izany hoe manodidina ny misasakalina, no nigadona ny dimy lahy mitam-basy sy zava-maranitra. Nivovo ny alika ary io no nanaitra ny tompon-trano. Poa toa izay anefa dia efa tafiditra tao an-trano ny olon-dratsy rehefa novakian’izy ireo ny varavarana. Voadaroka ny renim-pianakaviana ary ny vadiny kosa nentina tao amin’ny efitra tao ambadika. Izany hoe nosarahan-toerana ireo mba tsy hifankahita amin’izay mety hanaovan’ireo jiolahy azy ireo. Nitady izay nisy ny vola ny mpanafika ary rehefa nohazavaina fa tsy misy izany ao an-trano, daroka sy fanakorontanana ny entana no valin’izany. Ilay tovovavy kely, vavy tokan’ny fianakaviana, izay nihidy tao amin’ny efitranony koa dia nohararaotin’ireo olon-dratsy tamin’ny filan-dratsiny. Vita izany rehetra izany vao afaka nifampijery sy nifampanontany izay nanjo ny tao an-trano. Ny raim-pianakaviana efa nitsirara tamin’ny tany ary nihosin-drà. Niezaka niantso vonjy izy mianaka ary nampandre ny manodidina. Lavitra ny toerana no sady efa lasan’ny jiolahy avokoa ny finday rehetra. Efa adiny roa mahery taty aoriana vao nandre ny antso ny zandary, raha ny fanazavan’izy ireo. Rehefa tonga ireo vao nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra saingy tsy tàna intsony ny ainy. Niverimberina ny anaran’i Bota, jiolahy efa karohina ankehitriny. Lehilahy fohifohy ary botabota, raha araka ny fanazavan’ilay fianakaviana voatafika, no sefon’ireo jiolahy. Efa intelo nanafika teo an-toerana ireo ary mitovitovy hatrany ny fanazavan’ny niharan’izany raha momba ny endrik’ireo jiolahy. Momba ny fitaovam-piadiana nampiasaina indray dia poleta sy zava-maranitra no hitan’ny olona. Tsiahivina fa vao ny herinandro lasa teo koa no nisy fanafihana izay nisy fanolanana teny Alasora, ao anatin’iny faritra iny ihany. Faritra mena tanteraka araka izany iny Ambohimangakely sy Alasora iny ankehitriny. Efa tafahoatra ny ataon’ny jiolahy ary loza manambana ho an’ny mponina eny an-toerana. Sao mba tokony hohatevenina ny isa sy ny fitaovan’ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ireo toerana izay tena misandrahaka ireo? Mahazo vahana loatra mantsy ny heloka bevava…
D.R