Tsy maintsy voasambotra na maty voatifitra izay dahalo efa voasambotra nefa milefa, hoy ny Kapiteny Mihaja, kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Miarinarivo. Ny alin’ny zoma 23 oktobra no nisy dahalo 5 lahy nanafika sy nangalatr’omby tao Ambatofolaka, Alatsinainikely distrikan’i Miarinarivo faritra Itasy. Niantso vonjy tamin’ny mpiray tanàna ny voatafika ka votsotra ihany ireo omby 13. Ny sabotsy 24 oktobra tokony tamin’ny 8 ora alina dia nosakanan’i RAMS, iray amin’ireo dahalo nanafika, teo amin’ny tetezana Sakay ny zanaky ny voatafika roalahy sady norahonany fa hoavy hiverina izy ireo. Rehefa nandre izany vaovao izany ny zandary dia nanao fiambenana avy hatrany niaraka amin’ireo fokonolona io alina io. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia niakatra teo Ambatofolaka ity dahalo ka vosambotra avy hatrany. Nanararaotra ny andro mbola maizina ity dahalo ka nitsoaka. Raikitra ny fanenjehana azy nataon’ireo zandary sy fokonolona; natao ny tifi-danitra fampitandremana fa vaomaika nirifatra. Voatery nampiasa basy ireo zandary ka lavo ankitsirano i Rams.
Yv SAM