Namboarina tamin’ny ezaky ny fokonolona sy ireo mpivarotra maro be ao aminy ilay « dalles » nampanahirana ny mponina sy ny mpampiasa lalana, tao amin’ny fokontany Tanambao Bazary kely Toamasina. Izy ireo mantsy no niantoka ny fasika sy ny vatokely nanaovana ilay « dalles », fa ny teknisianan’ny kaominina no nanatanteraka ny asa, ka omaly no natao ny asa fanaronana ity lalan-drano tsy nisy sarony ity. Miisa 30 eo nanaovana izao asa izao izay milanja 20kgs eo ny iray amin’izany. Ireo mpitodra posy sy ireo mpamily Tuc-Tuc no tena mahazo tombony amin’ny fahavitan’ny asa rehetra izao. Nisaotra ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny fokontany miisa 04 manodidina ny asa natao, dia Tanambao I – Tanambao II – Tanambao III – Tanamborizano, izay miara-mahita tombony amin’ny fahavitan’ity lalan-drano tsy nisy sarony ity, ny kaominina tamin’ny alalan’ny ben’ny tanàna nosoloin’ny sekretera jeneraliny tena. Santatra ambavarano ihany ny toy izao hoy ireo filoham-pokontany nisolo tena ireo fokonolona, satria mbola maro ny asa hatao entina manatsara an’ny tanànan’i Toamasina amin’ilay tanjon’ny kaominina, tamin’ny fanambin’ny ben’ny tanàna hoe : « kaominina mandroso, kaominina madio, ary kaominina mazava ».
Malala Didier