- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpahitrosy-Atsimondrano : Tokantranao telo nasesin’ny andian-jiolahy notafihana

Ampahitrosy-Atsimondrano : Tokantranao telo nasesin’ny andian-jiolahy notafihana

Azo lazaina lasa faritra mafana amin’ny tsy fandriam-pahalemana iny faritra Atsimondrano iny ankehitriny. Raha nalaza tamin’izany ny aty amin’ny tapany avaratra toa an’Ambohijanaka sy Tsiafahy ary Ambalavao iny no tena nanjakan’ny asan-jiolahy hatrizay dia mirongatra koa izany any amin’ireo kaominina hafa. Ny 26 oktobra tokony ho tamin’ny 11 ora alina ohatra dia tokantrano telo indray nasesin’andianjiolahy notafihana tao amin’ny tanana atao hoe Ambodivona, tao Ampahitrosy. Araka ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia miisa folo eo ho eo ireo olon-dratsy ary nirongo basy sy zava-maranitra. Tsotra ny fomba fiasan’ireto jiolahy ireto. Miditra an-keriny ao antrano izy ireo ary mandrahona ny tompon-trano amin’ny fitaovam-piadiana ary mandroaka ny telefaonina ary mandraoka izay zavatra sarobidy sy mitaky vola. Vokany, ankoatry ny entana tamin’ny sakaosy dia nahatratra eo amin’ny 2 240 000 ariary eo ho eo ny fitambaran’ny vola voaroba tamin’ireo tokantrano ireo : 2 000 000 ariary ny tao amin’ny voalohany ; 200 000 ariary tao amin’ny faharoa, ary 40 000 ariary tao amin’ny fahatelo. Nirefodrefotra ny basy nandritra izany fanafihana izany satria dia nanao tifi-danitra ireo jiolahy rehefa handeha hitsoaka handositra ka niankandrefana ny dian’izy ireo. Teo vao afaka niantso vonjy ireo niharam-boina ka nampandre ny zandary ao amin’ny renivohitry ny kaominina. Nidina teny an-toerana ireto farany ka nandritra ny fizahana ny manodidina dia nahita vodim-bala «calibre 12 » niparitaka. Niroso tamin’ny fanarahan-dia moa ireto  nefa mbola tsy nahitam-bokany izany hatreto.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici