- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversBefelatanana : Zazalahy 14 taona maty voaolana

Befelatanana : Zazalahy 14 taona maty voaolana

Naterin’ny olona tao amin’ny Centre Vonjy Befelatanana ny zazalahy iray vao 14 taona omaly antoandro, izay voalaza fa voaolana. Vao tonga tao an-toerana anefa izy io dia nindaosin’ny fahafatesana. Araka ny fanazavana azo, natao ny fanamarinana ary nahitana izay diana fanolanana izay tokoa ilay zazalahy. Tsy nisy nahafanatatra izy io, ary natao ny fanaparitahana ny mombamomba azy omaly ihany, niantsoana ny fianakaviany. Toe-javatra izay mahazo vahana teto amintsika tao anatin’ny fotoana fohy ny fanolanana, raha tsy hilaza afa-tsy ilay tovolahy tratra tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy farany teo. Efa any Tsiafahy tazonina vonjimaika izy io, miandry ny fitsarana azy. Manentana ny rehetra hatrany ny mpitandro filaminana mba hitoroka raha misy ny trangana fanolanana na fanararaotana ara-nofo mahazo ny ankizy. Efa misy ny sampana miady amin’izany eo anivin’ny mpitandro filaminana, sy ny Unicef.

Yv Sam

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici