- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana : Zazalahy 14 taona naiditra eny Anjanamasina

Fanendahana : Zazalahy 14 taona naiditra eny Anjanamasina

Natolotra ny fampanoavana omaly ilay tovolahikely vao 14 taona, tratra nanendaka teny 67ha. Notanana vonjimaika eny Anjanamasina avy hatrany izy io. Ny 28 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra no tratra teo akaiky ny JOVENA 67 HA noho ny resaka harom-paosy. Lehilahy iray nandeha an-tongotra no niharan’ny harom-paosy teo akaiky ny JOVENA 67 HA ny 28 oktobra maraina. Finday iray lafo vidy no lasan’ilay olon-dratsy tamin’izany. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny ireo Polisy nanao fanamihana sivily ka vao naheno ny antso vonjy nataon’ilay tompona finday dia avy hatrany dia nanenjika ity zazalahy ity. Tsy lavitra teo anefa dia tratra ity farany ary noentina namonjy ny birao avy hatrany. Mbola hita teny amin’ity mpanendaka ity ilay finday ary efa neverina any amin’ny tompony. Taorian’ny famotorana natao taminy dia natolotra ny fitsarana omaly ary izao nalefa eny Anjanamasina izao.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici