Maromaro ny asan-jiolahy tato ho ato teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ho fanohizana ny ezaka fiarovana ny vahoaka sy ny fananany eto Antananarivo-renivohitra, dia nandray andraikitra ny teo anivon’ny « Etat-Major Mixte Opérationnel » na ny EMMO, ka nanatsara ny paikady sy nanamafy ny fiarovana ireo toerana sy fokontany rehetra ahiana hisian’ny asan-jiolahy na atoandro na alina. Nidina ifotony, araka izany, tany amin’ireo faritra maro teto Antananarivo ny Mpitarika ny EMMO (CEMA, DGPN, CIRGN) nitsirika sy nanome toromarika ary nametraka ny rindran-damina ho an’ireo Zandary sy Tafika ary Polisy mpanatanteraka ny hetsika « Papango » eny an-tsehatra, ny alin’ny alakamisy teo. Ankoatra ny fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana mandeha antongotra na amin’ny fiara, dia mandray fanairana na antso vonjy ihany koa izy ireo., ary afaka miditra an-tsehatra avy hatrany.
Averina manenika ny nosy ny hetsika « Papango »
Araka ny fanazavana, averina manerana ny Nisy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana ity. Nahitam-bokany tsara tamin’ny fotoan’androny izany. Anisan’ny andrandrain’ny olona any ambanivohitra noho ny firongatry ny asan-dahalo izany. Efa ho isanandro rahateo no isehoana fanafihana sy halatr’omby amin’ny faritra maro. Tsy vitan’izay fa sady mamono no maka an-keriny ireo dahalo. Miandry ny » Papango » ny rehetra izany.
Yv Sam