- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIvon-toerana fitsarana fiarakodia : Mitohy ny hetsika fitsirihana tampoka eny an-dalambe

Ivon-toerana fitsarana fiarakodia : Mitohy ny hetsika fitsirihana tampoka eny an-dalambe

Mitohy hatrany ny hetsika fanaraha-maso tontosain’ny Foibe fitsarana fiarakodia any amin’iny Faritra Avaratry ny Nosy iny ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Toy izao ny vokatra azo lazaina nandritra ny 19 hatramin’ny 25 Oktobra 2020 : 430 ireo fiara nosavaina teny an-dalambe ka taratasina fiara 148 tamin’izany no nosintonina noho ny tsy fahalavorariana hita tamin’ilay fiara ka lasa «inapte» ; 47 hafa kosa nampidirina ambalam-pamonjana na «fourrières» satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika ary ilàna fanamboarana manokana. Fiara miisa 07 no voamarina fa tsy nahavita fandraisana ara-teknika na «Réception technique ». Fiara 18 nomena fampitandremana na «avertissement» sy toro-marika mba hikojakojan’ny tompony ny fiara ampiasany. 76 hafa kosa no nahitana tsy fahatomombanana ara- teknika.

Ny foibe fitsaràna fiarakodia dia manentana hatrany ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay ary koa hanantona ireo Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia (centres de visite technique) amin’ny fotoana tokony hanaovany «visite technique» hahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalam-be ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka andalambe ary hivelatra manerana ny Nosy izany asa izany.

Ao anatin’izay ezaka ho fampanarahan-dalana izay hatréany dia nanatanteraka atrik’asa niarahana tamin’ireo solonten’ireo vondron’ny mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao na ny G.C.A.M  (Groupement de Concessionnaires Automobiles de Madagascar)  ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ity Ivon-toerana fitsarana fiarakodia ity ny 28 oktobra lasa teo. Noaresaka sy niadina hevitra maharitra nandritra izao fivoriana izao ny fanaovana ny fandraisana ara-teknika  mialoha ny varotra fiarakodia sy ny lalàna  mikasika ny laharana WW, izay voafaritra ho ireo fiara vaovao navoaka avy tany amin’ny orin’asa nanamboatra azy. Tapaka tamin’izany fa mbola hitohy zao atrik’asa izao ka hojerena manokana amin’ny fivoriana manaraka, izay hiarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana hafa voakasikin’ny sehatra momba ny fiara ny hanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny.

Nangonin’i T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici