Vehivavy iray no lasibatry ny mpanendaka ny sabotsy lasa teo tetsy Ambanidia. Tsy vitan’ny voaendaka anefa ity farany, raha ny angom-baovao azo, fa mbola niharan’ny herisetra ara-nofo tamin’ireo olon-dratsy …
Mirongatra indray ity resaka fanolanana ity tato ho ato. Ary tsy mifidy atao ihany koa ireo olon-dratsy fa izay tratra aloha dia mitondra fasaina avokoa. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, teny amin’iny faritra Ambanidia iny, raha teo am-panaovana fisafoana ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo, noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, mampikaikaika ireo mponina eny an-toerana, dia nifanehatra tamin’ny mpanendaka teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy. Niditra an-tsehatra avy hatrany izy ireo, nandray ny andraikiny tamin’ny fisamborana ity farany, izay nitsoaka nihazo ireo elakelan-trano teny an-toerana. Saingy noho ny fahaiza-manaon’ireo pôlisy dia voasambotra tsy lavitra teo ity farany. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ity farany. Nipoitra teo ny nafenina tany fa hay ity mpanendaka voasambotra ka anisan’ireo mpanolana rain-dahiny teny amin’iny faritra iny. Voalaza mantsy fa rehefa manao ny asa ratsiny ingahirainy ka raha sendra vehivavy dia hampihariny ny filan-dratsiny ary tsy misy afa-maina avokoa. Tamin’io fotoana nisamborana azy io indrindra no tonga nametraka fitairanana tao amin’ny pôlisy ny vehivavy iray izay nilaza fa voaendaka sy niharan’ny fanolanana ny sabotsy maraina lasa teo, raha iny izy handeha hiasa iny. Ary ity tovolahy voasambotry ny pôlisy ity no tompon’antoka tamin’izany. Omaly moa ity mpanendaka no sady mpanolana ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny fakàna am-bavany azy teny anivon’ny pôlisy.
m.L