Mpampianatra iray niaraka tamin’ny mpianany telo, voarohirohy tamin’ny fanaparitahana laza adina hosoka tamin’ny fanadinam-panjakana Bakalorea farany teo, no nohafan’ny Fitsaràna ambaratonga voalohany tao Antalaha omaly. Hafaliana tsy nisy toa izany ny an’ireo fianakaviana sy ireo olona nanohana azy ireo olona ireo tonga nitsena omaly tany an-toerana.
Taorian’ny tsaho nandeha tany an-toerana ny amin’ny fisian’ny laza adina bakalorea niparitaka tany an-toerana tokoa mantsy dia isan’ny voasaringotra tao anatin’izany ity mpampianatra ity ary ireo mpianatra telo, rehefa nisy ny fitoriana nipetraka mahakasika azy ireo. Nentina natao fanadihadiana teny anivon’ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Mazava ho azy, tsy afaka niatrika ity fanadinam-panjakana ity ireto mpianatra telo ireto. Omaly no natao ny Fitsaràna azy ireo tao Antalaha. Araka ny fampitam-baovao azo dia naharitra adim-pamantaranandro maromaro ihany ny fihenoana azy ireo teo anoloan’ny hazomeloka. Taorian’izay ihany moa dia nivoaka ny didim-pitsaràna : fampitsarahana ny fanenjehana ary fanafahana azy ireo madiodio. Horakoram-pifaliana ny nandraisan’ireo mponina izany didy izany tany an-toerana. Mametram-panontaniana ihany moa ireo mpanara-baovao, ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha. Inona no antony ilay fanendrikendrehana ary ahoana ny ho atao amin’ireo mpianatra telo, izay tokony hanala ilay fanadinam-panjakana tamin’ity taona ity?
m.L