Nitondra vohoka rehefa avy nanao ny nataony tany razazavavy. Nentiny sivy volana an-kibo ilay tsy manan-tsiny ary izao niniany novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izao nony tonga teto an-tany. Mpiara-monina no nandre ny feony nikiakiaka nitomany, tao an-gabone, niady irery tao anaty maloto, sendra izay reny tsy vanona ! Tao Sahanivotry Antsirabe faharoa moa nitrangan’ity tranga mahatsiravina ity ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia ny maraina tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any no nandre zaza mitomany tao anaty lavaka gabone ny mpiara-monina ary taitra. Nifampilaza vaovao ary tonga tsy ela tao amin’io toerana io ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpitandro filaminana. Fantatra teo fa tena zazakely latsaka tao anaty « wc » ka nifamonjena avy hatrany. Nosokirina haingana ka avotra ihany, hoy ny vaovao saingy efa tena reraka tanteraka ary nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Na dia teo aza moa ny ezak’ireo mpitsabo dia tsy tana intsony ain’ity menavava ny hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any. Fantatra tamin’izay fa zazakely vao teraka izy io, tsy loza tampoka no nahatonga azy tafalatsaka tao fa niniana natao. Ninian’ny reniny nalatsaka tao an-gabone mihitsy ilay menaky ny ainy ! Raha ny vaovao hatrany mantsy dia ankizivavy 17 taona, nipetraka tao amin’io trano misy ilay lavapiringa ny renin’ity zaza. Mbola mpianatra ny anao vavy. Monina any ambanivohitra saingy kosa nandranto fianarana tao an-toerana amina lycée iray ary manofa trano miaraka amin’ny zandriny. « Rehefa nanao ny sitrapon’ny fahatanorany izy dia bevohoka ary nentiny soa aman-tsara mandra-pahatongan’ny fahasivy volany » hoy hatrany ny vaovao. Naterany soa aman-tsara ilay zaza saingy izao niniana novonoina izao indray. « Nalatsany tao anaty lavapiringa rehefa nofonosiny tao anaty lamba sy « sachet » ». Heloka bevava ary mbola sazy henjana kokoa noho ny vono olona tsotra, hoy hatrany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana ny sazy miandry izay reny adala minia mamono zaza tsy manan-tsiny, na inona na inona antony. Nosamborina teo no ho eo avy hatrany moa ity ankizivavy ity ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritra ao Sahanivotry.
m.L