- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndafiavaratra : Trano biriky iray nirehitra tampoka

Andafiavaratra : Trano biriky iray nirehitra tampoka

Fifanandrifian-javatra sa niniana natao? Trano biriky iray misy rihana no nirehitra tampoka omaly tokony tamin’ ny 11 ora sy sasany teo, teny Andafiavaratra, tsy lavitra ny Etamazaoro. Nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana nahatongavan’ny satroboninahitra tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III mihitsy ity firehetana ity. Nilelalela ny afo ary niakatra ambony dia ambony ny setroka, izay tazana nanodidina an’Antananarivo. Tonga teny an-toerana tao anatin’ny fotoana fohy ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana namono ny afo. Voafehy izany, ary tsy natahorana ny fiparitahan’izany tamin’ny manodidina. Teo no nahalalana fa tsy misy olona mipetra intsony ity trano ity fa mikatona tanteraka. Efa trano gasy taloha ihany izy io. Nipetraka avy hatrany ny ahiahy ny amin’ny mety niavian’ny afo, sady tany ambony rihana. Sao santria niniana natao? Eo rahateo ity toe-draharaha manahirana momba ny fananganana ao anaty rova sns. Misy rahateo ny olona tsy mankasitraka ny fananganana ireo foto-drafitrasa anatin’ny Rovan’Antananarivo ireo. Petra-kevitra ihany anefa izany fa anjaran’ny mpitandro filaminana ny mamaritra ny niandohan’ny afo marina amin’ny alalan’ny fanadihadiana. Ny olona teo amin’ny manodidina nilaza fa tsy misy mihaodihaody mihitsy eo amin’ity trano ity. Mangina tanteraka ny manodidina na amin’ny andro atoandro aza. Nanao ny fitsirihina teny an-toerana sy ny manodidina ny mpitandro filaminana.

Yv Sam

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici