- Publicité -
lundi, janvier 26, 2026
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Zandary mpianatra asa 25 nanenjika dahalo

Amboasary Atsimo : Zandary mpianatra asa 25 nanenjika dahalo

Dahalo am-polony nanafika tany Maromby Amboasary atsimo, ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ka nahaverezana omby 38 isa. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka zandary mpianatra asa miisa 25 no notarihin’ny lehiben’ny zandary tao an-toerana nanao ny fanarahan-dia. Mbola nampian’ny zandary avy ao amin’ny PA Maromby ihany koa. Nanamaro isa ny mpanenjika ihany koa ny miaramilan’ny 1er RFI Besakoa. Nanao ny fanakanana ireo dahalo any amin’ny kizon’i Kelihosy Esira. Ity tanàna voalaza farany dia nalaza tamin’ny asan-dahalo hatramin’izay, indrindra tamin’ny andron’ny tetezamita, ka nampalaza an-dRemenabila. Izao mahazo vahana izao indray ny asa ratsin’ireo malaso. Miasa mafy ny zandary ka na ireo mpiza-draharaha aza dia efa miditra an-tsehatra sahady amin’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter