- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zazavavy kely 10 taona, niharan'ny fanolanana, herintaona aty aoriana vao fantatra

Antsirabe : Zazavavy kely 10 taona, niharan’ny fanolanana, herintaona aty aoriana vao fantatra

Tra-tehaky ny polisy ny tovolahy kely iray 22 taona nanolana zazavavy kely vao 10 taona teto Antsirabe. Araky ny fanazavana nomen’ny polisy dia efa ho herintaona io zaza io no niaran’ny fanolanana saingy tsy nahasahy nitantara ny nanjo azy noho fandrahonana natao taminy. Araky ny vaovao avy tamin’ny PMPM na « Police des Moeurs et Protection des Mineur » dia olom-patatry ny fianakaviana ihany ity nahavanon-doza ity, tsy lavitra fa teo amin’ny manodidina ihany. Maro anaka ary tsy arak’ilay renim-pianakaviana avokoa ny manara-maso ny zanany raha ny fanazavana. Tany am-pianarany ilay zaza no nitaraina tamin’ny mpampianatra ny nahazo azy. Ity farany avy eo no nanatona tao amin’ny police ka nahafana nisambotra ilay tovolahy navahanon-doza. Tato ato tena nirongatra be mihitsy ny resaka fanolanana isan’izany ity tranga ity. Tsy olona lavitra mazana no mpanao azy ity fa olona akaiky ihany na fianakaviana mihitsy hoy ny polisy. Tsy afa-bela amin’ny fanadihadiana izy ireny ary maro no efa nahiditra am-ponja amin’izao fotoana. Misy ny fanentanana ataon’ny eo nivon’ny PMPM eny an-tsekoly amin’izao fotoana hiadiana amin’ity resaka fanolanana ity.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici