Tapaka tanteraka ny lalana tetsy amin’ny vahalavan’i Marais Masay omaly hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Lozam-pifamoivoizana roa sosona be izao mantsy no nitranga teny an-toerana izay naharatrana lehilahy mpitaingina bisikleta iray ary nanimbana fananana iombonana. Ny voalohany, irony fiarabe mitarika « remorque » irony no nandona andrin-jiro iray teny an-toerana. Potika tanteraka moa ity fitaovana ity ary nidaraboka tamin’ny arabe, nanapaka tanteraka ny lalana teny an-toerana. Nahitàna fahasimbana torak’izay ihany koa ilay fiara nandona. Raha ny angom-baovao azo dia olana ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza satria dia nivaha tampoka ilay fitarihana « remorque » ary io no nikipily nandona ilay « poteau ». Elanelam-potoana vitsy taorian’izay, mpitondra bisikleta iray ihany koa no naratra mafy rehefa nodomina fiara tsy mataho-dalana iray teny an-toerana hatrany. Naratra mafy vokatr’izany ity lehilahy ity ary voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nahitàna fahasimbana moa ny lohan’ilay fiara nandona ary potika tanteraka ilay kodiaran-droa.
Fa ankoatr’ireo, resaka lozam-pifamoivoizana hatrany tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tetsy Ankazobe. Omaly, fiara « taxi-brousse » iray avy any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy iny no nivadika teo am-povoan’arabe. Maro tamin’ireo mpandeha no naratra mafy vokatr’izay ka voatery nalefa novonjena teny amina toeram-pitsaboana. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra mahakasika izany.
m.L