- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny karana : Mpamaky trano niharan’ny hatezeram-bahoaka

Fasan’ny karana : Mpamaky trano niharan’ny hatezeram-bahoaka

Soa fa tonga haingana ny polisy rehefa nandre izao tranga izao, raha tsy izany dia tsy hay izay nahazo ity lehilahy 48 taona ity. Efa voadarodaroka sy naratra izy no norombahan’ireo mpitandro ny filaminana teo am-pelatanan’ireo vahoaka efa romotry ny hatezerana, ny 17 talata teo. Araka ny loharanom-baovao, dia voarohirohy ho namaky trano tesy amin’ny Fasan’ny Karana-Anosizato izy ity ka voasambotry ny fokonolona. Mbola hita teny aminy daholo moa ireo kojakojan-dakozia izay nangalariny ary efa naverina tamin’ny tompony ireo entana ireo. Fantatra ihany koa fa efa mpameri-keloka izy ka rehefa natolotra ny Fitsarana ny andron’io talata io ihany dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici