- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Feno tsy ampy taona manendaka

Andravoahangy : Feno tsy ampy taona manendaka

Efatra miralahy aloha izy ireo no voasambotra ary hanaraka tsy ho ela ireo namany ! Tsy ampy taona avokoa izy ireto tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto tetsy amin’ny « solomaso » tetsy Andravoahangy. Tsy misy tokoa izay tsy mifezaka raha handalo eny amin’iny faritra Andravoahangy ambany iny, raha vao mirotsaka monja ny alina noho ny resaka fanendahana. Manomboka eo amin’ny solomaso, mipaka eny amin’ny rotsirotsy ka mihazo an’iny lalana mizotra mankany Ambodivona iny. Zary lasa hanihany sisa ny hoe raha miditra amin’izany ianao miakanjo, mivoaka avy eo miboridana ! Izay tranga izay mihitsy no nidinan’ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenana ifotony, hamongorana izay ahiahian’ny mponina sy ireo mpandalo eny an-toerana izay. Nisy araka izany fidinana teny an-toerana, ka tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any no nahita andian-jatovo maromaro teny an-dalana amin’ny lala-mangina ireto mpitandro filaminana. Nampiahiahy ka avy hatrany dia nohatonina, saingy raha vao nahita azy ireo ny sasany dia nitsoaka. Ireto efa-dahy ireto sisa no voasambotra teo. Mbola zatovo kely avokoa raha jerena izy ireo ary fantatra tamin’ny famotorana natao fa tsy ampy taona avokoa. Misy mbola azo lazaina fa zaza mihitsy aza, satria dia mbola zazalahy 13 taona, kanefa dia efa miaraka amin’ireo namany miroso amin’izany asa ratsy izany. Raha ny voalaza moa dia tsy mandalo katsa-maina ry zalahy fa izay sendra azy mandeha irery aloha dia mahita faisana avokoa, indrindra moa fa ireo mpiasa tratra alina. Inoana fa mbola maro izy ireo eny amin’iny faritra iny, mitampify any an’elakelantrano marobe any ary miandry fotsiny izay rembiny tratra alina eny an-dalana. Ny tena loza dia tsy vitan’ny manendaka izy ireo indraindray fa misy tena mandratra sy mamono mihitsy, hanaovan’izy ireo tambabe !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici