- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra anaty fiara : Telolahy voasambotra teny Ambatomaro

Halatra anaty fiara : Telolahy voasambotra teny Ambatomaro

Ny faran’ny herinandro lasa teo dia tovolahy iray no voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Ambatomaro Antsobolo iny, noho ny resaka famakiana sy halatra anaty fiara.

Rehefa nandeha ny famotorana azy dia nanoro ny namany roa lahy ranamana ary nosamborina teny an-toerana ihany izy ireo. Izany moa dia taorian’ny tranga fangalarana zavatra anaty fiara, izay mipetraka anaty garazy. Fiara maromaro no lasibatra tamin’izay, hoy ny vaovao, ary miteti-bidy an-tapitrasany any ho any ny zavatra very tao anaty fiara. Tsy mifidy alaina moa izy ireo fa izay azo raisina dia lasa avokoa : autoradio, batterie, baffle, subwoofer, clés, eny fa na hatramin’ny kojakojan’ny fiara izay voavahan’izy ireo amin’iny andro hanaovany ny asa ratsiny aza. Voalazany anefa fa amidin’izy ireo mora izany rehefa azony.

Mbola tsy ampy taona ihany koa ny roa tamin’ireto mpangalatra anaty fiara ikoizana ary nahavaky garazy iray tetsy Ambatomaro ireto : 15 sy 16 taona. Ny iray naman’izy ireo no efa 23 taona. Araka ny fampahafantarana nataon’ny pôlisy ihany koa aza dia ny roa lahy tamin’izy telo ireto dia efa nigadra enim-bola tany Antanimora noho ireo resaka halatra anaty fiara ireo hatrany, saingy efa nivoaka dia izao nanao ny ataony izao indray. Tokony ny hoe tsy fanarenana azy ireo hiatrika fiainana madio no antony nandefasany azy ireo tany. Izay raha ny tokony ho izy no antom-pisian’ny fonja, fa toa vao mainka fampitomboana traikefa sy fanangonana ekipa no ataony any!

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici