- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana Sinoa tetsy Soamanandrariny: 50 tapitra Ar ho an’ireo mahafantatra na misambotra...

Famonoana Sinoa tetsy Soamanandrariny: 50 tapitra Ar ho an’ireo mahafantatra na misambotra ireo namono.

Sinoa-vavyVolabe ho an’izay manome vaovao ! Mbola karohina hatrany ireo olona nahavanon-doza tamin’ilay namono nahafaty sinoa vavy, antsoina hoe Hu Xiaohong, 42 taona, tetsy Soamanandrariny, ny alakamisy 17 Jolay  teo. Hatreto, maro ihany ireo efa nalaina am-bavany teny amin’ny pôlisin’ny B.C teny Anosy, ary isan’izany ilay sôfera sy ny sipany, araka ny fantatra. Mbola tsy nahitana mangirana ny amin’ireo mety nahavita ity habibiana ity anefa izany. Miparitaka, eny amin’ny faritra Behoririka sy ny manodidina iny, araka izany, ny afisy, fanambazana volabe ho an’ireo olona mahasambotra na afaka manampy amin’ny fahitana ireo meloka tamin’iny. Andro vitsivitsy lasa izay, ahitana laharana finday azo antsoina avy hatrany. Araka ity afisy ity dia mahatratra 50 tapitra ariary ny vola homena an’ireo tsara sitrapo ireo amin’izany. Fifanandrifian-javatra ve ? Raha ny fantatra mantsy dia mitotaly any ho any ihany koa ireo volabe lasan’ireo mpamono, iny andro iny. Raha ny fanazavana azo farany, araka ny loharom-baovao, dia toa hoe efa fantatra tamin’ny alàlan’ny “camera de surveillance” ireo olona telo, voalaza fa niaraka tamin’ity sinoavavy ity farany tamin’io andro io, ary ambaran’ny olona ho tompon’antoka tamin’io famonoana io. Tsy fantatra mazava kosa aloha na sinoa avokoa izy ireo na misy gasy. Mitohy araka izany ny fanadihadiana ary inoana fa hitondra vokatra tsy ho ela.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser