Efa tsy izy intsony ! Raha ny entana, sakaosy na poketra no ataon’ny mpanendaka aty an-drenivohitra sinto-mahery, ny any amin’iny faritra Menabe iny dia ny olombelona, nofo sy rà, zaza no alain’ireo dahalo an-keriny ary sintominy eny an-tanan’olona mihitsy indraindray. Toy ity nitranga ny faran’ny herinandro teo, tao Antanimainty, kaominina Miandrivazo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Tafika Malagasy. Ny alin’io fotoana io tokoa mantsy dia dahalo mpaka an-keriny miisa telo no nisintona zazakely iray vao dimy taona monja, teny an-tanan-drainy. Niampy rahona sy hambana fitaovam-piadiana moa izany, tsy ahafahan’ilay rain-jaza miaro na manohitra ireo olon-dratsy. Nentin’izy ireo nitsoaka avy hatrany ity zaza ity ary taorian’izay vao afaka niantso vonjy ilay lasibatra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny miaramila avy ao amin’ny Zrps Bravo, tany an-toerana, niaraka tamin’ireo fokonolona niezaka nanara-dia sy nanenjika ireo mpaka an-keriny. Raha ny vaovao, hatrany, dia noho ny ezaka sy ny traik’efa azon’ireo mpitandro filaminana dia tsy ela dia voasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Avotra soa aman-tsara kosa tetsy an-danin’izay ilay ankizikely, raha ny voalaza hatrany. Nentina avy hatrany natolotra ny zandary moa ity dahalo ity, hanohizan’izy ireo ny fanadihadiana sy ny famotorana. Inoana fa nitohy kosa ny fikarohana ireo namany sasany, izay tafatsoaka tamin’io andro io.
m.L