- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa Ambatovy Toamasina : Mampiditra ny 1/3 ny vola vahiny ho an’i...

Orinasa Ambatovy Toamasina : Mampiditra ny 1/3 ny vola vahiny ho an’i Malagasy

Sambany no nitsidika ny orinasa Ambatovy ny masohivohon’i Japon SE Higuchi Yoshihiro. Nandritra izany no nahitany ny tena zava-misy iainan’ity orinasa ity, ka nilazany ampahibemaso fa « raha mandeha tsara sy mandroso ny orinasa Ambatovy, dia hitarika famatsiam-bola mivantana hafa ho an’i Madagasikara izany, nefa raha mifanohitra amin’izany dia ho zava-doza satria hitsoaka antsika avokoa ireo mpampiasa vola vahiny hafa. » Mahatratra any amin’ny 55% ny famatsiam-bola eo anivon’ny orinasa Ambatovy izao no an’ny Sumitomo orinasa Japonais; ka nahatratra 08 miliara dolara ny fampiasam-bola nataon’ny fanjakana Japonais hatramin’izao, hoy ny ambasadaorin’ny Japon eto amintsika. Izay no nahatonga ny masohivoho nilaza fa ny « 1/3 ny vola vahiny eto Madagasikara dia avy amin’Ambatovy avokoa ». Ny fandrosoan’ny orianasa Ambatovy koa anefa dia miteraka fampandrosoana amin’ny faritra hiasany sy i Madagasikara manontolo, satria hatreto dia nahatratra 125 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola nataony tamin’ny fividianana ireo sakafo sy ny fitaovana nilain’ny orinasa tamin’ny taona nivalona 2019 iny. Misy koa ny vola 25 tapitrisa dolara hanaovana asa sosialy ao Ambatovy. Ankoatra izany dia niteraka asa maro teto Toamasina sy teto Madagasikara ny fisian’Ambatovy, ka mpiasa 9.000 eo no nahita asa tamin’ireo asa maro be niforona, raha olona sy mpiasa 7.000 teo nahazo tombony tamin’ny fanofanana arakasa avo lenta tao amin’ny ivon-toerana manokan’Ambatovy. Eo am-pamerenana ny fihodinan’ny orinasa taorinany fijanonany hono ny valanaretina Covid-19 nahazo ny orinasa izy ireo ; saingy amin’ny maha-saro-pady ny fampihodinana ny orinasa dia mandeha tsikelikely izany indrindra ny fampiharahana ny orinasa ao Moramanga mpitrandraka sy ny eto Toamasina mpanodina ny vokatra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici