Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny kaominina Ankaraobato iny omaly maraina. Lehilahy iray, efa tsy nisy aina intsony no hitan’ireo mponina nivalampatra, nihoson-drà tanteraka teo amin’ny arabe teo Ankadilalampotsy, tsy lavitra akory ny toerana misy ny Lapan’ny tanana. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra ary tonga nanao ny fizahana ifotony, niaraka tamin’ny mpitsabo teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Vono olona avy hatrany no azo heverina ho nitranga satria, araka ny angom-baovao azo dia nahitàna ratra sy diana zava-maranitra teo amin’ny tendany. Izay azo heverina fa nitarika ny fahaverezan-drà be loatra, izay namonto ilay arabe rarivato, ary nitondra azy ho any amin’ny fahafatesana. Marihana, raha ny vaovao azo hatrany dia lehilahy fantatry ny maro eny an-toerana ity maty nisy namono ity, izay sady mpikatroka haiady no mpitaiza tanora amin’ny alalan’ny fanantanjahan-tena. Heverina fa efa nomanina sy natao kendry tohana ary natao tao anatin’ny tampoka araka izany izao famonoana azy ankitsirano izao satria raha ny voalaza fa mbola tao anatin’ny tanjany tanteraka ny lehilahy fony fahavelony, ka tokony hahatohatra tsara izay mpifanandrina taminy. Efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza moa ireo tompon’andraikitra amin’izany eny an-toerana.
m.L