- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Taxibe nandona fiara tsy mataho-dalana, enina no naratra

Antanimena : Taxibe nandona fiara tsy mataho-dalana, enina no naratra

Olona enina no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga ny alahady alina teo, tetsy Antanimena. Taxibe iray nizotra nihazo an’Ankorondrano no nandona fiara handeha hiakatra hihazo an’Antanimena. Latsaka ary nivarina an-tanimbary mihitsy moa ity farany, vokatry ny dona nahazo azy.

Iza tokoa ny hanampo hoe fiara amin’ny lafin-dalana ilany no handeha handona fiara amin’ny lafin-dalana mifanohitra aminy tetsy amin’ilay lalana vao namboarina mizotra mihazo an’Antanimena iny. Indrindra fa hoe misy « ilot » manasaraka ireo lalana roa ireo ? Fa dia izay no nitranga tetsy Antanimena, ampitan’ny kianjan’ny sekolim-pinoana iray, manandrify indrindra ny orinasa mpivarotra fiara eny an-toerana, ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia taxibe « Mercedes 307 » iray, hihazo an’Ankorondrano iny, somary nandeha mafy ihany no tsy nahatana intsony ny familiana, raha teo am-pialàna « olona mamo  teo am-povoan-dalana ». Nivily, nitsambikina ilay « ilot » nanasaraka ny lalana andaniny roa  ary nifatratra tamina fiara tsy mataho-dalana iray marika « Mercedes Class G», handeha hihazo an’Antanimena. Mafy dia mafy ny dona nahazo ity farany ka nipitika niala ny lalana mihitsy ity fiara ity ary nifatratra tao amina tanimbary iray teo an-kavanan-dalana. Tafajanona nibahana teo am-povoan-dalana kosa ilay avy nandona.  Raha ny nambaran’ireo pôlisy tonga nijery ifotony ny loza teny an-toerana dia nisy olona enina tao anatin’io fiara voadona io, izay samy naratra mafy avokoa ka nezahina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly.  Samy nahitàna fahapotehana avokoa ny fiara roa, na ilay nandona, izay potika tsy nisy ao noraisina intsony ny lohany, na ilay voadona izay nifatratra latsaka tany an-kady.

Vokatr’izay fandehanana mafy amin’ny alina izay ihany, tetsy amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra ny faran’ny herinandro teo. Môtô « Bws », izay voalazan’ireo nanatri-maso no nidona tamina sarety teny an-toerana. Voalaza moa fa tsy nisy jiro ilay kodiaran-droa, ary ilay sarety, izay nitatitra anana dia tsy nisy marim-pamantarana. Mafy ihany koa ny dona nihatra tamin’ireto fitaovam-pitanterana ireto. Voa mafy vokatr’izay ilay mpitaingina môtô, raha ny angom-baovao azo hatrany. Samy efa eny an-tanan’ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana avokoa moa ny mahakasika ireto loza nitranga teto an-drenivohitra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici