- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Tra-tehaka ireo andian-jatovo mpifoka rongony sady mpanendaka

Antohomadinika : Tra-tehaka ireo andian-jatovo mpifoka rongony sady mpanendaka

Andian-jatovo mpanendaka miisa sivy niaraka amin’ny sabatra no tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily tetsy Antohomadinika ny faran’ny herinandro teo. 16 taona no zandriny indrindra ary 21 taona no zokiny indrindra amin’izy ireo. Eny Antohomadinika sy Isotry no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Voalazan’ny polisy fa ireo mpivaro-mandeha toy ireny mivarotra kojakoja ilaina amin’ny andavan’andro ireny no asan’ny sasany amin’izy ireto raha mpibata entana kosa ny hafa . Mifoka rongony izy ireo alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny ary efa maro ihany koa ny olona noratrain’izy ireo tamin’izany. “Isaorana ny fiaraha-miasa amin’ireo olona tsara sitrapo tamin’ny fanomezam-baovao”, hoy ny polisy. Anisan’ny ilaina ny fanomezam-baovao ny polisy, ary indrindra ny fitorohana sy ny fametrahana fitoriana ireo olon-dratsy. Matetika tsisy mitory izy ireny ary votsotra avy eo. Eo ihany koa ny hamaivan’ny vesatra anenjehana azy ireo ka vetivety dia mivoaka ny fonja ary mamerin-keloka avy eo. Natolotra ny fampanovana izy sivy lahy ka nalefa any Antanimora ny fito ary eny Anjanamasina kosa ny zatovolahy miisa roa.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici