- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lavon’ny Zandary i Kapitsany, avy eo mbola nodoran’ny olona

Maevatanàna : Lavon’ny Zandary i Kapitsany, avy eo mbola nodoran’ny olona

Jiolahy iray antsoina hoe Kapitsany no maty rotiky ny balan’ny zandary, ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga tao amin’ny kaominina Berivotra 5×5, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’izany. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba fisian’ireo andian-jiolahy miisa efapolo mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, izay hikasa hanafika mpandraraha iray any an-toerana tamin’io fotoana io. Soa ihany fa tafatsoaka ny varavarakely ilay lehilahy antsoina hoe Dina notadiavin’ny malaso hovonoina. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary manao fisafoana avy eto Maevatanàna niampy ireo namany ao amin’ny « Poste Fixe » any an-toerana, nanenjika ireo olon-dratsy, saingy tifitra variraraka no nitsenan’ireto jiolahy azy ireo tamin’ny fotoana nahatongavany tany amin’ny faritra nisehoan’ny fanafihana. Nisy, araka izany, ny fifampitifirana ka lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy iray. Rehefa nahita izany iretsy namany dia vaky nandositra namela ity farany irery teo amin’ny tany, niaraka tamin’ireo famaky sy moara mbola teny am-bozony. Nanakoako, nandrovitra ny alina ny feom-basy teny amoron’ny lalam-pirenena fahefatra tao Berivotra 5×5. Raha ny angom-baovao voaranay  tamin’Atoa Randriasata Solo Nomenjanahary, ben’ny tanàna ao an-toerana, dia toa hoe mbola nisy dahalo telo hafa maty  hono any anaty ala any, nandritra ny fifandonan’izy ireo tamin’ny zandary  hatrany. Nanamafy ihany koa ny ben’ny tanàna afakomaly fa nodoran’ny fokonolona ilay dahalo antsoina hoe kapitsany ny  talata lasa teo, tokony ho tamin’ny telo ora folakandro, noho izy ireo mitebiteby lava amin’ity asan-jiolahy ity. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireo malaso sasany ataon’ny mpitandro ny filaminana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici