- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Tanana notafihana valolahy mitam-piadiana

Ambohimanarina : Tanana notafihana valolahy mitam-piadiana

Omaly vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tany ho any. Andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amina tanana iray, tetsy Ambohimandroso Ambohimanarina. Nokotrotrohan’izy ireo ny vavahady vy ary nanao amboletra niditra fotsiny izy ireo. Voafehin’izy ireo tanteraka araka izany ny iray trano. Raha ny fitantaran’ireo mponina dia manodidina ny valo lahy any ho any ireto olon-dratsy ireto ary tazana ho nitondra fitaovam-piadiana. Saika nasesin’izy ireo notafihana avokoa ireo tokatrano vitsivitsy tao amin’ity tanana ity, raha ny voalazan’ireo mponina hatrany. Hatreto, dia tsy mbola tsy fantatra mazava ny zavatra lasa fa ny azo antoka aloha, hoy hatrany ny angom-baovao azo dia nisy vola maromaro. Tetsy andanin’izay, na dia tsy nisy poa-basy aza dia voalaza fa nisy olona iray naratra, raha nitsambikina avy eny ambony varavaravan-kely, niezaka nitsoaka nanavotr’aina. Marihana fa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana saingy efa tafatsoaka ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fikarohana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici