- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana : Jiolahy iray « sprinter » nifanandrina tamin’ny zandary

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy iray « sprinter » nifanandrina tamin’ny zandary

Fiara « sprinter » nampiahiahy no voatery nosakanana, najanona ary nosavain’ny zandary teo Talatan’Iary, Sandrandahy, omaly vao mangiran-dratsy. Kanjo, vatan-dehilahy maromaro nirongo basy mahery vaika no nivoaka avy tao. Raikitra ny fifandonana, nisy dimy no maty voatifitra, ary enina, izay heverina fa naman’izy ireo no voasambotra. Miova tsy toy ireny hita tamin’ny horonatsary ireny ny zava-nisy tany amin’iny faritra Amoron’i Mania iny. Ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia andian-jiolahy avy nanafika tany Fandriana, nandeha fiara « sprinter » no nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana teny an-dalana, omaly tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina tany ho any. Vao tafajanona tamin’ny fanakanana nataon’ireo mpitandro filaminana ity fiara ity, dia andian’olona mirongo basy « kalachnikov » sy basim-borona no nivoaka avy tany, tsy nisy tahotra intsony, toa nihantsy ireo zandary. Sahy nihantsy sy hifanandrina mihitsy moa, raha ny vaovao hatrany satria dia samy namahana ny basiny avy izy ireo. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia voatery nampitandrina ireo olona ireto ireo mpitandro filaminana mba hametraka ny basiny izy ireo, saingy mazava ho azy fa tsy nety mihitsy ireto farany. Hany ka tsy maintsy nandray fepetra hampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanana ihany koa ireo zandary hiarovan-tena. Raikitra teo ny fifampitifirana. Dimy tamin’ireo jiolahy no maty teo no ho no eo vokatr’izay. Ny hafa kosa tafatsoaka tanaty ala ary efa mandeha ny hazalambo. Rehefa nojerena moa ny tao anaty fiara dia mbola nahitàna fitaovam-piadiana isan-karazany avy nentin’izy ireo nanao fanafihana tao, niaraka tamin’ireo entana norobaina tany Fandriana ary vola mitentina iray tapitrisa ariary teo ho eo. Tsy nihanona tamin’io fiara io ihany nony avy eo ireo zandary rehefa tojo izay tranga izay fa nanohy ny fanaraha-maso ireo fiara hafa nandalo. Hany ka nisy olona enina hafa nampiahiahy ihany koa ary tombanana ho naman’ireo teo aloha, voatery nosamborina. Na teo tokoa aza ny rahona mainty nianjady tamin’ny fianakaviam-ben’ny zandary tamin’ny namoizan’izy ireo ny namany sasany tamin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, herinandro vitsy lasa izay, dia tsy nataon’izy ireo ho sakana tsy hanantanterahana ny asany izany. Ambetin-tenin’Atoa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary foana moa ny hoe « ny jiolahy no mihorohoro indray amin’izao ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici