- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpanendaka anaty taxibe, nanaovan’ny olona tamba-be

67ha : Mpanendaka anaty taxibe, nanaovan’ny olona tamba-be

Tovolahy mpanendaka efa rain-dahiny iray no voasambotry ny fokonolona tetsy 67ha. Araka ny fantatra dia isan’ireo rain-dahiny, nampitondra faisana ireo mponina teny an-toerana ity farany. Ny voalohandohan’ny herinandro teo ingahirainy no tra-tehaka raha teo am-panaovana ny asa ratsiny.  Raha ny voalaza dia ramatoa iray nandeha taxi-be no nataony haza tamin’io fotoana io. Vao avy lavitra monja dia efa notiliany fatratra ilay ramatoa sy ny rojo volafotsy teny aminy. Efa fantampatatr’ilay zalahy fa tsy mantsy hisy fitohanana ao aloha ao. Fitohanana izay zary sakafon’ny mpitondra fiara eny amin’iny faritra iny moa ary tsy mahataitra intsony. Tao anatin’izany indrindra no nanararaotany nisintona ilay rojo ary nanao tari-dositra nony avy eo rehefa azony izay nilainy. Noheverin-dranamana fa hanao toy ny mahazatra ny olona teto hoe hijery fotsiny ny zava-nisy, kanjo tsy izay no nitranga. Maro dia maro ireo maso nahita ny zava-nitranga ary maro torak’izay ihany koa no nifandrimbona, nanaoa tambabe, nanenjika ity tontakely ity. Tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy tratra ity farany. Mazava ho azy, tsy maintsy niharitra kely ny hatezeram-bahoaka tao aloha ingahirainy ary izay vao natolotra teny anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ity tovolahy ity ary nadoboka am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Angamba kosa efa samy leo sy tofoka tanteraka amin’ity resaka tsy fandriampahelamana manjaka eto amintsika ity ny tsirairay, ka samy tonga saina ny hifandrimbona hiady sy hisambotra ireo tontakely. Mba tsy hisy intsony ilay samy maka ho azy sy mifampijerijery fotsiny fa mba hiray hina tahak’izay niseho izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici