Taorian’ny asan-jiolahy saron’ny polisy avy amin’ny USI Antananarivo nikasana hanafihana mpandraharaha ara-jorofo iray teto Toamasina, izay nampiasana ireny fitaovam-pitaterana « tuc-tuc » ka nahafatesana andian-jiolahy efatra tamin’ireo fito nanao izany ; dia niroso tamin’ny fanaraha-maso akaiky ity fitaovam-pitaterana ity ny teo anivon’ny polisy teto Toamasina. Nahitam-bokany ny hetsika natao satria lehilahy roa no saron’ny polisy ny FIP tao Valpinson nihazo ny lalana « Beton » mihazo an’Andranomadio iny ny zoma teo tokony tamin’ny 09ora alina. Tratra tamin’izany i Fano Gaétan 25 taona mpiasana garazy iray ao Morafeno, sy ingahy Mahafehy Armand Laurent 35 taona mpiasana garazy ihany koa saingy ao Morarano. Mitondra ny laharana 7647 AH ity « tuc-tuc » tratra ity izay an’Atoa Rajaonarison Hery monina ao Tanambao V. Efa mandalo ny fanadiadiana rehetra mikasika ny asa ratsy vitany izy mirahalahy ireto tamin’izao nahatrarana “tuc-tuc” halatra izao. Ankoatra izay raha variana nisakafo atoandro tokony tamin’ny 01ora ity mpitondra « cyclo-pousse » ; dia nararaotin’ingahy Roro Justin 20 taona nangalarina ny posin’ity rangahy ity nisakafo. Nisy nahatsikaritra anefa izany, ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana ary tratra ihany ilay mpangalatra. Raikitra avy hatrany ny vono sy daroka, izay efa saika raikitra hatramin’ny fitsaram-bahoaka mihintsy ny farany, satria efa vonona hatramin’ny kodiarana hadorana ity mpangalatra. Tonga haingana raha vao nahare ny antso ny FIP notarihan’ny komandany, kaomisera Rafaliarivo Jules, ka voasoroka ilay fitsaram-bahoaka efa nomanina. Efa mihatrika ny fakana am-bavany azy koa ity mpangalatra posy ity ankehitriny.
Malala Didier