Naharay antso ny polisin’ny FIP Toamasina fa misy zatovovavy mitaraina ho voadaroka tao amin’ny fokontany Andranomadio P/elle 11/41. Tonga nijery ny tena zava-nisy izy ireo, notarihin’ny komandany, ny kaomisera Rafaliaro Jules. Voamarina tamin’izany fa tena voadaroka tokoa ity zatovovavy ity ary mpiasa an-trano no asany. Tao amin’ny tokantranon’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray eto Toamasina no nitranga ny raharaha. Voatery nentina teny amin’ny CSBII tao Ambohijafy izy, notsaboina noho ny ratra nahazo azy, saingy nalefan’ireto farany teny amin’ny hopitaly be nony farany. Raha natao ny fizahana ny zava-misy dia fantatra fa bevohoka efa-bolana ity zatovovavy ity. Raha ny angom-baovao dia ny olana teo amin’ny mpampiasa azy noho ny fisian’ity zaza tao an-kibony no naharaikitra ny disadisa teo amin’ilay mpampiasa sy ny mpiasa; satria noterin’ilay mpampiasa halana ilay zaza tao am-bohoka. Tombanana ho fanolanana zaza tsy ampy taona no naha-bevohoka ity zatovovavy ity, saingy miandry ny fanadihadiana mikasika izany ny rehetra, satria mety ho ny tao an-trano ihany no nahavanon-doza tamin’izany. Ankoatra izay dia nisaotra ny fahatongavan’ny polisy ny mponina, satria efa fanaon’ilay ramatoa mpampianatra ny midaroka mpiasa tahaka izao, hoy ny manodidina, ka raha tsy tonga haingana ny polisy tsy hay izay nitranga. Bevohoka mantsy ilay zazavavy tamin’ny fotoan’ny daroka.
Malala Didier