Niteraka resabe teo amin’ny tambajotran-tserasera ity raharaha mahakasika an’i Suzy, ilay vehivavy marary saina voalaza fa nisy nanolana ka bevohoka ity. Nambara tamin’izany fa ny zaodahiny antsoina hoe Stephan, vadin’ny rahavaviny ihany no nahavanon-doza. Araka ny fantatra anefa an-kehitriny dia tsy misy idiran’io voaheloka io mihitsy ity raharaha ity nefa dia mbola midoboka am-ponja eny Tsiafahy ity farany. Raha tsiahivina ny tantara dia ny 15 jona 2020 no nosamborin’ny zandary ity lehilahy ity rehefa notorian’ny renin’i Suzy fa nahabevohoka ny zanany. Nosamborina niaraka taminy ihany koa ny rahalahim-badin’ny renin’i Suzy rehefa nampangain’ity farany fa efa nanolana an’i Suzy fony ity farany vao 15 taona monja. Nadoboka eny Tsiafahy i Stephan ny 18 jona 2020 rehefa nampakarina teny amin’ny Fampanoavana. Taorian’izay, rehefa teraka i Suzy dia nilaza tamin-drainy ilay voapanga fa tsy nanao an’io heloka io mihitsy ary nangataka tamin-drainy ny mba hanaovana « test ADN » azy sy ilay zaza mba hanamarinana ny maha tsy manan-tsiny azy. Naka mpisolovava ny rainy ary ity farany no nangataka alalana teny amin’ny Fitsarana mba hanaovana izany fitiliana izany. Notanterahina izany ny faha 22 oktobra 2020 rehefa nahazoana alalana na « ordonnance » avy amin’ny Fitsarana ny 19 septambra 2020. Tamin’ny 9 novambra teo no nivaly izany ka voaôrofo teo fa 0 isan-jato ny maha rain’io zaza io an’ity voampanga. Izany hoe tsy misy idiran’ity farany ny raharaha fa tondro-molotra ihany no nahazo azy. Taorian’izay dia nangataka fahafahana vonjimaika ho an’ny zanany ny rain’i Stephan saingy nolavin’ny Fitsarana izany. Noho izany, dia mahatsapa fa iharan’ny tsy rariny ny rain’ny Stephan satria efa voaporofo fa tsy meloka ny zanany nefa dia mbola voatazona am-ponja ihany na dia tsy maintsy hiatrika fitsarana ihany izy amin’ny daty izay mbola tsy voafaritrra akory hatreto. Koa manaitra ny sai’nireo tompon’andraikitra mahefa ny tenany mba hijery akaiky izao raharaha izao.
T.M.