- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversKaomisarian’i Toamasina renivohitra : Vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny kaomisera roa nifandimby

Kaomisarian’i Toamasina renivohitra : Vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny kaomisera roa nifandimby

Natao ny zoma teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny kaomisera teo aloha Rakotoarijaona Faly izay lasa talen’ny filaminam-bahoaka ao Alaotra-Mangoro, sy ny kaomisera Rakotovao Christian izay kaomisera ny boriborintany voalohany teo aloha. 18 volana no nihazonan’ny kaomisera teo aloha ity kaomiserian’i Toamasina renivohitra ity, izay misahana ny boriborintany roa dia ny ao Tanambao II sy ny eny Mangarano. Betsaka ny asa natao tao anatin’izay fihobohana 07 volan’ny Covid-19 izany ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Nandritra izany famindram-pitantanana izay natrehan’ny talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana, no nilaza ny kaomisera nisolo toerana fa ny fameranana ny hasin’ny polisy, ny ady atao amin’ny jiolahy, ny ady amin’ny fakana an-keriny, ary ny ady amin’ny kolikoly izay miatomboka ny ao anatiny vao mivoaka ety ivelany, ny hetsika sy tanjona amin’ny kaomisera Rakotovao Christian. Efa betsaka ny nentin’ny kaomisera teo aloha mikasika izany ady atao izany, saingy mbola betsaka ihany koa ny miandry izao indrindra ity resaka ady amin’ny jiolahy ity izay lasa mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana. Ankoatra izay dia nanao antso avo amin’ny vahoaka isam-pokontany, sy ireo efa mpiara-miasa amin’ny polisy amin’ny fanomezam-baovao ny kaomisera Rakotovao Christian, satria « tsy vitako izao samy irery ny fametrahana izany filaminam-bahoaka izany, fa isika miaraka mamita azy no hahatratrarana izany ». Ny ezaka miandry ny kaomisera vaovao ity izao ny filaminam-bahoaka ao anatin’ny fetin’ny krismasy sy ny famaranana ny taona ary ny taona vaovao 2021.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici