- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Jiolahy mitam-basy maty voatifitry ny UIR

67 ha : Jiolahy mitam-basy maty voatifitry ny UIR

Nisy vokany ny fisafoana amin’ny andro alina nataon’ny polisy misahana ny hery vonjy taitra. Nifanehatra tampoka tamin’ny jiolahy izy ireo ny alin’ny asabotsy, tetsy 67ha. Raikitra ny tifitra ka nahalavo ny jiolahy iray. Na izany aza dia nisy tafaporitsaka ny naman’io farany izay miisa roa. Raha araka ny tatitry ny polisy dia saika hampiasa fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy saingy ny an’ny mpitandro ny filaminana no tonga aloha. Ny loharanom-baovao mitovy ihany no nanazava fa nikasa ny hanao fanafihana mitam-basy ity andian’olon-dratsy ity io nifanena tamin’ny polisy io. Mbola manamafy hatrany ny tranga toa izao fa ilaina ary mila hamafisina ny enti-manana ho an’ny fisafoana manerana an’Antananarivo. Raha hiandry antso fotsiny mantsy dia matetika efa tsy eo intsony ny jiolahy vao tonga ny mpitandro ny filaminana. Ny antony dia isan’ny alain’ny jiolahy voalohany indrindra ny finday rehefa mitranga ny fanafihana. Tsy afa-miantso araka izany ny voatafika raha tsy efa lasa elaela ny olon-dratsy. Raha tsy tsikaritry ny manodidina izany ny zava-miseho dia tena taraiky vao mandre ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ity indray mitoraka dia tena nifanena tamin’ny hery vonjy taitra ny mpanao fanafihana ary dia nifanehatra ny roa tonta. Ilaina ny fanamafisana ny fisafoana, indrindra amin’izao manakaiky faran’ny taona izao izay mampirongatra ny asan-jiolahy, toa ny isan-taona ihany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici