- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nifampitifitra ny jiolahy sy ny polisy, jiolahy telo maty, polisy telo...

Toamasina : Nifampitifitra ny jiolahy sy ny polisy, jiolahy telo maty, polisy telo naratra

Basy fampiasan’ny mpitandro ny filaminana ilay sarona teny amin’ny jiolahy lavo.

Nirefodrefotra naharitra 15 mininitra ny basy tao Andranomadio ny alatsinainy teo. Andian-jiolahy miisa telo ary nirongo basy no nikasa hanafika kioska mpanao fifanakalozam-bola. Efa nanao fanarahan-dia mialoha anefa ny polisy ary dia raikitra ny fifanoherana. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo no narahana ireo jiolahy. Nifandribona tamin’izao fanenjehana jiolahy izao ny FIP sy ny UIR ary ny saka mainty avy ao Antananarivo. Nifanenjika tao amin’ny P/elle 11/45 sy ny P/elle 11/46 sy P/elle 11/45Bis tao Andranomadio sy Cite Haras izy ireo. Vokatr’izany fifampitifirana izany dia polisy telo no naratra mafy voan’ny balan’ireo jiolahy ary iray tamin’ireo olon-dratsy kosa no maty ny marainan’ny  alatsinainy nisian’ny fifampitifirana voalohany io. Tratra nandritra izany ny basy mitondra ny marika MAB, Model P.A-15. Araka ny fanazavana azo tamin’ny polisy , ny talem-paritry ny filaminana anatiny Kaomisera divizionera Rakototiana Laubel Valoison izay nitarika ny polisy dia voa teo amin’ny feny ny polisy iray ary nivoaka teo amin’ny faritry ny mahalehilahy azy ny bala, saingy azo notsabobina tsara ny ratrany ka tsy ahiana intsony ny ainy. Ny polisy roa hafa kosa dia ny fanaovan’izy ireo « gillet anti-balle » no nanavotra azy ireo. Teo amin’ny tratra mihitsy no voatifitra ary nitarika ratra na izany aza. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa izy rehetra ireo ny alatsinainy teo ihany. Nitohy hatrany anefa ny fanaraha-maso ireo jiolahy roa tafatsoaka, ka araka ny loharanom-baovaon’ny polisy hatrany, dia tratra sy mbola nifampitifitra tamin’ireo mpitandro ny filaminana indray ireo tao amin’ny « Ex-Relax Hotel » Andranomadio. Mbola naharitra antsasak’adiny teo indray ny fifampitifirana. Lavon’ny balan’ny polisy ihany izy roa lahy raha tsy nisy naratra kosa ny teo anivon’ny polisy nandritra ny ady nandritry ny tolakandron’ny alatsinainy ity. Sarona tamin’izy roalahy ireto ny basy fampiasany izay mirefy 9mm sy 7,75mm. Ankoatra izany dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny fokonolona tao amin’ny P/elle11/45Bis ary nilaza fa mpitahiry jiolahy ny filoham-pokontanin’izy ireo. Nangataka ny fanesorana azy amin’ny toerany ireo olona. Isan’alina dia mitranga foana ny asan-jiolahy hoy ireo fokonolona nefa tsy mahazo ary tsy avelan’ny filoham-pokontany manao andrimasom-pokonolona ny fokontany P/elle 11/45Bis, hoy ny vahoaka nitaraina tamin’ny polisy teny an-toerana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici