Naharitra telo herinandro ny fampiofanana ireo manamboninahitra mpampiofana tao amin’ny Akademia miaramila eto Antsirabe . Fampiofanana izay niompana tamin’ny resaka teknika sy taktika miaramila. Miaramila Frantsay FAZOI avy atsy amin’ny Nosy la réunion no tompomarika tamin’ity fampiofanana ity. Nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana tamin’ireo manam-boninahitra nanaraka ny fampiofanana ny Talata 8 Desambra lasa teo. Ankaotra izay, nanolotra fanomezana fitaovana informatika ho fanatsarana ny « connexion » ho an’ny sekoly ihany koa ireo manamboninhaitra miaramila Frantsay ireo, izany dia tafiditra amin’ny fiaraha-miasa nisy taloha sy hatramin’izao. Tsy diso anjara tamin’ity fampiofanana ity ihany koa ny tao amin’ny ENSOA na Sekoly fampiofanana manamboninahitra lefitra, ary nahazo tohana manoka tamin’ny fanavaozana efitranom-piofanana roa izay ny FAZOI no niantoka ny lany rehetra tamin’izany. Marihina fa ireto efitrano ireto dia navaozina mba hanaraka ny fenitra sy mendrika ho efitram-pampiofanana azy . Nisy koa ny fampitaovana ara pedagozika natolotra ny sekoly. Tonga nanatrika sy nanome voninhaitra tao amin’ny sekoly nandritra ireo hetsika roa sosona ireo ny filohan’ny Etat Major Ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claud.
Andry N.