- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversKaomina Antsirabe : Nahazo simenitra 24 taonina tamin'ny Holcim

Kaomina Antsirabe : Nahazo simenitra 24 taonina tamin’ny Holcim

Havaozina sy asiam-panamboarana avokoa ireo takelaka na « panneaux de signalisation » eto amin’ny tanan’Antsirabe ambonivohitra. Izany no hatao mba hampirindra sy hampilamina ny fifamoivoizana ary indrindra hialana amin’ny loza mety hitranga. Tsikaritra tokoa fa saika efa simba avokoa izy ireny. Niroso tamin’ny fanaovan-tsonia ny fiaraha miasa ny kaominina Antsirabe ambonivohitra  izay nifanaovan’ny ben’ny tanana sy ny tale jeneralin’ny orinasa Holcim. Nanolotra simenitra 24 taonina ny Holcim hanavaozana sy hanamboarana « panneaux de signalisation » miisa 287 apetraka eny amin’ny lalana. Ny kaominina no hanamboatra ny takelaka raha ny Holcim  no niantoka ny semenitra.  Fantatra fa hatomboka amin’ity tapaky ny volana desambra ny asa. Antenaina hoy ny ben’ny tanana fa hanao toy izao nataon’ny Holcim izao ireo orinasa sasany mba hisian’ny fampandrosoana haingana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici