- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Toaka gasy 600 liatra nafenina tao ambany gonin-tsaribao

Antsirabe : Toaka gasy 600 liatra nafenina tao ambany gonin-tsaribao

Toaka 600 litatra anaty « bidons » 30 no saron’ny « Brigade Sécurité routière Antsirabe » ny alahadylasa teo. Natao tao anaty fiara Sprinter ary nosaromana gonin-tsaribao ireo toaka ireo. Avy any amin’ny distrikan’i Fandriana ireto toaka mbola voarara ireto ary kasaina hoentina aty Antananarivo izao sarona izao. Nogiazana avy hatrany ireo toaka ary miandry ny didim-pitsarana handorana azy imasom-bahoaka. Araka ny fanazavan’ny zandary dia mandoa lamandy ny tompon’ny toaka, nampidirina « fourrière » kosa ilay fiara nitondra azy. « Tsara ny mampahafantatra fa mbola tsy foana ny lalàna manenjika ny toaka voarara ary tsy mbola misy ny lalàna mamela ny famokarana, fivarotana, fitaterana azy io. », hoy ny zandarimaria. Araka izany, mbola azo sokajiana ho fandikan-dalàna ny fitondrana toaka gasy mandehandeha, sy amidy ao anatin’ny tsy ara-dalàna. Mbola samy miandry ny fankatoavana ny lalàna eny amin’ny antenimieram-pirenena ny rehetra, vao samy faly amin’ny fahalalahan’ny fivarotana toaka gasy.

Yv

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici