Valifaty nitohy tamin’ny fakana takalon’aina tany Anjiro, Moramanga, ny alatsinainy teo. Araka ny fanazavana avy amin’ny zandary, naharay antso avy any amin’ny Ben’ny tanànan’ny Mandialaza ny lehiben’ny brigady Anjiro ny amin’ny tohin’ny fisamborana olona niarahana tamin’ny fokonolona ka nahafaty an’i Benoavy. Ity farany izay nanao herisetra sy fampitahorana olona tamin’ny alalan’ny fitaova-maranitra toy ny sabatra sy antsy ary ody gasy, tany Amberibe, fokontany Ambohimandroso, Kaominina Mandialaza, Distrika Moramanga ny herinandro ambony lasa teo. Nindaosin’ny fahafatesana anefa izy taorian’ny fisamborana azy. Taorian’izagy, dia nisy atao hoe fikambanana Lambamena miisa 10 tonga naka antsokosoko ny fatin’ny Beniavy ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, ary naka olona miisa 4 tao Amberibe, noentin’izy ireo nilanja io fatin’ny namany io ho any Anjiro kaominina Soalazaina, distrikan’ Ambatondrazaka. Norahonan’izy ireo ho vonoina ireo olona ireo raha toa ka tsy tonga any ilay kartie mobily ao Amberobe nanampy ny zandary nisambotra an’i Benoavy. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary ka zandary miisa 10 no nalefa any an-toerana nitondrana ilay razana sy ireo olona 4 natao takalon’aina. Nampandre ny PA Soalazaina hanao fisakanana ny zandary. Namantana avy hatrany tany amin’ny fianakaviana nitondrana ny razana ny mpitandro filaminana. Mbola anatin’ny fifampiraharahana amin’ny hakana ireo olona efatra sy ny fanadihadiana momba ity Benoavy ity ny zandary any an-toerana hatramin’ny omaly. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Yv Sam