Tezitra ireo vondron’ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina noho ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ny talata maraina teo, nandritra ny fiakaran’ity rangahy antsoina hoe “Bira” ity teny. Raharaham-pitsarana nahakasika ireto mpamonjy voina ny raharaha, satria sady nandrahona ho faty ireto mpamonjy voina, no nanompa azy ireo i Bira, nandritra ny asany ny alahady teo tamin’ny famoana afo teny Analakininina-Morarano. Tamin’ny 01ora maraina no tonga teny ny mpamonjy voina sy trano may, ka trano enina kila forehitra raha ny enina ambiny vitery noravana mba tsy ampihitatra ny afo tamin’izay. Nandritra ny fotoana namonoana ny afo dia nandalo ity raim-pianakaviana iray notondra moto ka nanitsaka ireo fantson’ny mpamonjy voina sy hain-trano ireto, ka vaky ny fantsona tamin’izay. Tezitra ny mpamonjy voina vokatra izany, nefa ny tao an-tsaina aloha hoe avy taiza ny raim-pianakaviana ity andro amin’ny 02ora maraina. Raha niresaka tamin’ireto mpamonjy voina sy hain-trano ireto, dia ompa tsy faseho masoandro ny setreny, ary mbola niampy fandrahonana ho faty koa, satria milaza ny haka tovolahy an-tanana ity raim-pianakaviana ity hidaroka ireto mpamonjy voina manao ny asany ireto. Reharehan’ity raim-pianakavina ity ny nilaza fa tsy misy dikany aminy ny manolo olona sady tsy misy olona ampidirina am-ponja fahatany izany tsy amin’ny antony, ary tsy tafiditrareo am-ponja ny tenako. Milaza ireo mpamonjy voina sy trano may mitaraina ireto fa tena hanjakan’ny kolikoly ny fitsarana, satria olona efa mandrahona ho faty sy manompa mpaiasam-panjakana manao ny asany ara-dalana ireo dia votrotra ho azy, tena marina ny tenin’ity rangahy Alfred Bira ity, fa tsy misy olona afaka mampigadra azy ireny raha mbola fitsarana eto Toamasina arak any teniny.
Malala Didier