- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFinoana : Nanambady hoe Jesoa ?

Finoana : Nanambady hoe Jesoa ?

Tsy natao hanozongozonana finoana akory izy ity fa zava-misy mampifanolana ireo manam-pahaizana any ampitandranomasina any. « Nanana vady hoe Jesoa ? ». Araka ny fantatra tokoa mantsy dia nisy ampahan-taratasy tranainy (papyrus), hita ny 2012, -tsy fantatra hoe taiza- voasoratra amin’ny fiteny « copte », manambara ny fahamarinan’io tranga io. Ny ao Vatican, izay foiben’ny fiangonana katôlika, dia nandà ankitsirano ny maha tena izy io taratasy io (taratasy sandoka, natao amin’izao fotoana izao). Ireo manam-pahaizan’ny Eglizy ihany koa, etsy andaniny, dia nilaza fa fahadisoana eo amin’ny resaka fiteny ny filazana « vadin’i Jesoa » ao anatin’ilay ampahan-taratasy. Ny valim-pikarohana, nataon’ny Oniversitén’i Harvard, nivoaka ny faran’ny volana aprily teo anefa dia milaza mazava tsara ny maha tena izy (authentique) io ampahan-taratasy hita io, izay voasoratra tamin’ny andron’ireo Kristianina taloha.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser