- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIvoloina Toamasina : Ramatoabe 85 taona naolana tovolahy roa

Ivoloina Toamasina : Ramatoabe 85 taona naolana tovolahy roa

Manitatra saina indray ireo mpanolana amin’izao tamin’ny fandraisan’ny fanjakana lalàna henjana amin’ny fanolanana ankizy tsy ampy taona, dia nivadika ho ireo rafotsy be indray izao no misy manolana, fa tsy mampigadra hono. Ny alin’ny sabotsy teo nifoha ny alahady 13 desambra, tao Ivoloina, amin’ny lalam-pirenena faha-05, eo amin’ny 06km avy eo amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy, izay tokony tamin’ny 01ora maraina, dia rafotsy be 85 taona no naolan’ireo tovolahy roa mponina eo an-tanàna tao an-tranony. Nitondra antsy izy roa lahy nandrahona ilay rafotsy be mipetraka irery tao an-tranony, ka nanaovin’izy roa lahy ny filan-dratsiny ity rafotsy be nandritra izany. “Ny feon’izy ireo no ahatsiarovako azy ireo, satria raha vao niditra tao an-trano izy ireo, tsy vitan’ny nandrahona ahy tamin’ny antso, fa mbola notsidriany teo am-pandriana ny lohako tsy ho afaka hitodika hijery azy ireo. Jiro kely mandeha amin’ny solika rahateo ny ao an-tranoko, ka roa lahy ny reko fa nanao ny filan-dratsiny tamiko teo, ary raha vita ny nataony dia mbola nangalarin’izy ireo koa ny laoka sy vary tao am-bilany, ary lasa nitsoaka izy roa lahy”, hoy ilay rafotsy be voaolana izay tsy nahatsiaro tena mihitsy noho ny nahazo azy ary tsy nody aina raha tsy teny amin’ny efitrano famelomana aina teny amin’ny hopitaly be. Hatreto mbola tsy hita popoka ireo nahavanona ny fanolanana, ka eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra izay dia notsaraina ny talata teo tao amin’ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina andiany faharoa Ingahy Perinot, 22 taona. Fanolanana ankizy 12 taona tao Tsarahonenana Fetraomby Brickaville, ny 15 septambra 2018. Voasazy 05 taona asa an-terivozona am-ponja ny tenany nandritra ity fitsarana ady heloka be vava andiany faharoa eto Toamasina ity. Niezaka nandà ny heloka niampangana azy ny voampanga tamin’izany, resaka ady tany ifanolan’ny ny voampanga sy ny ray aman-drenin’ilay zazavavy kely no anton’ireo, fa efa nilaza aza ilay zazavavy fa notambazany vola 10.000 ariary mba tsy hilaza ny heloka vitany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici