Sehatra iray isan’ny mahazo vahana sy efa manana ny toerany ny fampiadiana akoho lahy eto Antsirabe sy ny manodidina. Araka ny tantara, isan’ny fialambolin’ny mpajaka nifandimby ny adin’akoho ary efa ela ny Malagasy no nankafy sy nilalao izany adin’akoho izany fa tsy naka tahaka ny vahiny akory. Mampiroborobo ny kolontsaina sy ny sehatry ny fizahan-tany anatiny ny adin’akoho, hoy Andriamalala Lalainaharizaona, filohan’ny Team crim Vakna eto Antsirabe. Ny Team crim Vakna izay vao nanokatra kianja fampiadiana akoho vaovao ao Ambohipeno . Isan’ireo kianja raitra eto Antsirabe ity vao natsangan’ny Team crim ity, izay nosokafana tami’ny fomba ofisialy natrehan’ireo solontenam-panjakana eto Antsirabe . Araka ny fanazavana dia hanomboka hisokatra ny zoma 18 desambra ny kianja ka fifampihantsiana, na « défie » ,no hanokafana ny kianja manditra ny telo andro. Ny 24 desambra hatramin’ny faran’ny taona kosa no hanomboka ny » challenge », izay anasana ireo « Team » maro avy eto an-toerana sy any amin’ny faritra. Fikambanana efa nitsangana ara dalàna sy ara panjakana ny Team Crim Vakna ary efa nahazo fankatoavana tamin’ny sampandaharaharam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena eto Vakinankaratra.
Andry N.