- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMandritsara : Olona 9 niboridana mampisavorovoro ny olona natao fanadihadiana

Mandritsara : Olona 9 niboridana mampisavorovoro ny olona natao fanadihadiana

Olona sivy mampiahiahy nanaovan’ny zandary fanadihadiana noho izy ireo vahiny any Ambalamanga kaominina Ambinanifango distrikan’i Mandritsara, ka niteraka savorovoro tany an-toerana, ny alatsinainy teo. Voalaza fa efa samy lehibe daholo ny fahitana azy ireo ary milasy tokony ho 3 km miala ny tanàna, izay tsy fantatra mazava ny antondian’izy ireo. Raha vantany vao nahare izany tatitra izany ny kaomandy ny vondron-tobim-paritra Mandritsara dia nandefa farany izay haingana ny kaomandy ny Tobim-paritra ny zandarimaria niaraka amin’ny zandary dimy lahy mba hanadihady sy hijery ifotony ny zava-misy any an-toerana. Rehefa tonga tany an-toerana izy ireo dia efa voadidin’ireo fokonolona roa tanana avy any Ambalamanga sy Ambinanifango ilay toerana nitobian’ireo olona ireo. Niroso avy hatrany tamin’ny famotopotorana ireo olona ireo ny zandary kaa araka ny fanazavan’ izy ireo dia hitady olona very avy any Mahajanga izay efa ho roa volana izay no antony mampandeha azy ireo aty amin’ny Kaominina ambanivohitra amin’ny distrikan’i Mandritsara. Araka ny fanazavana, fitadiavana amin’ny halalan’ny fomba nentim-paharazana na moasy na sikidy na koa ireny antsoina hoe tromba ireny izy ireo. Voalaza fa tamin’ny alalan’ny fitanjahana nanaovan’ireo olona ny fombafomba ka anisan’ny nahatonga ny savorovoro teo amin’ny olona. Rehefa tsy nahitana moa ireo vahiny ireo na dia tamingana taratasy izay manambara ny anton-dian’izy ireo aza sy izay mety ho fahazoandalana manokana avy amin’ny Faritra niavian’izy ireo dia nasesin’ny fokonolona niakatra tao an-tanànan’Ambalamanga mba hofotorana mazava sy misimisy kokoa. Tsy nanaiky rahateo ny fokonolona ny hanohizan’ireo vahiny ireo ny asa fikarohana araka ny filazany. Nalefa niverina tany Mandritsara ary mila mandalo amin’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa. taorian’izay dia samy namonjy ny toera-ponenana sy ny faritra niaviany ireo fokonolona maro. Milamina ny fiainam-bahoaka na dia teo aza ny fahatahorana tany am-piandohana ny hisian’ny korontana noho ny fomba hafahafa nataon’ireo olona ireo. Toe-javatra izay tsy mahazatra loatra ny rehetra, izay mety hiteraka tsy filaminana raha tsy mitandrina.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici