- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBeronono Anjozorobe : May ny trano, nirefodrefotra ny basy

Beronono Anjozorobe : May ny trano, nirefodrefotra ny basy

Ny voalohan’ny herinandro teo, andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika tao amin’ny tanàna iray tany amin’iny kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe iny. Ankoatr’ireo zavatra sarobidy lasan’ireo tsy valahara dia mbola nodoran’izy ireo ihany ny tranon’olona. Fananana nangonina am-polon-taona, nodorana sy najedak’ireo olon-dratsy tao anatin’ny minitra vitsy monja.

Mitatao vovonana ! Tsy niandry hariva intsony, toy ny fanaon’izy ireo intsony ireo olon-dratsy tany amin’iny tapany avaratr’Antananarivo iny, vao miditra mandroba tanàna fa tena mbola antoandro be mihitsy. Tanàna iray, antsoina hoe Ambodimadiro, ao amin’ny kaominina Beronono no nataon’ny dahalo nitondra faisana indray ny alatsinainy lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia nahatratra teo amin’ny 12 lahy teo ireo malaso, izay nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika,  toy ny basy « kalachnikov » ary basim-borona maromaro. Nirefodrefotra tsy nisy toa izany ny feom-basy tao an-tanàna, izay mazàna, amin’izany ora sy fotoana izany dia saika efa zaza amam-behivavy sisa, raha mbola tavela any an-tsaha ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy. Mazava ho azy, tsy nisy sahy nanohitohitra ny fidiran’ireo dahalo an-tanàna ny rehetra. Hany ka nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fandrombana ireo tafo vitsivitsy tao amin’ity tanàna ireto ireto farany. Raha ny angom-baovao hatrany dia nisy basin’ireo fokonolona lasan’ireo olon-dratsy tamin’ity fanafihana ity, ankoatr’ireo entana sarobidy nalain’izy ireo, mazava ho azy satria ireo omby dia mbola any an-tsaha avokoa amin’izany. Tsy vitan’io anefa, raha ny vaovao hatrany fa trano iray teo an-tanàna no nodoran’izy ireo tsy nanany hantra. Soa fa tsy nisy naninona tao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, saingy ireo entana no tsy nisy azo noraisina intsony. Niaina tao anaty tebiteby sy ny tahotra tanteraka ireo mponina nandritry ny minitra maromaro nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Taorian’izay moa vao afaka niantso vonjy ireo mponina ary tonga avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Natao avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny hazalambo tany an-toerana, hikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici