Ny alakamisy tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo, tao amin’ny efitrano fitsaràna faharoa etsy amin’ny Lapan’ny fitsaràna etsy Anosy no nohenoin’ireo mpitsara teo anoloan’ny hazo meloka ilay raim-pianakaviana, voampanga ho nanao herisetra tamin-jaza tsy ampy taona, izay zanany ihany tetsy Soavimasoandro. Naharitra adim-pamataranandro vitsivitsy ihany ny fihenoana azy sy ny mpisolo vava azy nandritra izay fotoam-pitsaràna izay. Nandritra izany moa no nangatahan’ny mpisolo vava azy fahafahana vonjimaika aloha, mandram-pivoaka ny didim-pitsarana. Noho ireo aretina mianjady amin’ity raim-pianakaviana ity fa indrindra ihany koa mba ahafahany mifaly eo anivon’ny ankohonany amin’izao fety izao. Nolavin’ny Fitsarana marin-drano anefa izany fangatahana izany. Ary taorian’ny fitsarana azy dia naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora, toerana nitazomana azy ilay raim-pianakaviana. Fantatra kosa fa hivoaka amin’ny herinandro ho avy izao ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity. Fa tetsy an-danin’izay, raha ny angom-baovao azo hatrany dia fantatra fa naverina teo anivon’ny fianakaviany ilay zazalahy kely zanany. Famerenana izay misy fetr’andro ihany, raha ny vaovao hatrany mba hahafahany misitraka ny fanaovana fety eo anivon’ny fianakaviany. Tsiahivina fa nandraisan’ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona fepetra ity farany ny hametraka azy eny Bevalala, akany fitaizana ireo zaza maditra. Handrasan’ny rehetra araka izany izay mety ho didy raisin’ny Fitsarana mahakasika ity raharaha izay nahabe resaka teny anivon’ny fiarahamonina ity.
m.L