- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRivodoza “Chalane” : Efa niomana fatratra ny tanànan’i Toamasina renivohitra

Rivodoza “Chalane” : Efa niomana fatratra ny tanànan’i Toamasina renivohitra

Kianja Soavita, Epp Todivelona Raphael Ankirihiry, Epp La Poudrette Ambolomadinika, Epp Manangareza, Epp Morarano, Epp Ambohijafy, Epp Cité Canada, Epp 1904 Tanambao II, ireo no afaka nandray ireo traboina tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza “Chalane”. Na napetraka aza ireo ivontoerana ireo dia ny tao amin’ny Epp Ambohijafy ihany no nahitana ireo efa-mianaka rava trano tao Tanamakoa. Ireo tsy manan-kialofana kosa noraisin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra tao amin’ny kianja mifaton’i Soavita sy ny Dojo. Nambaran’ny talem-paritry ny famantarana ny toetr’andro Atsinanana, Atoa Rhino Rajaonarivony, kosa fa efa nihena ny herin’ilay rivodoza “Chalane”. Na izany aza mbola samy tokony hitandrina ny rehetra amin’ny fiakaran’ny rano vokatry ny orana entiny, ka ireo mipetraka amin’ny faritra iva dia tokony hamonjy ny toerana avoavo avokoa, satria ny aina no ambony noho ny fananana, hoy ny prefen’i Toamasina. Raha ny teto Toamasina aloha dia tsy nisy firy ny zavatra simba nentin’iny rivodoza “Chalane” iny, fa ny fiakaran’ny rano nateriky ny oram-be, sy ny ahiahy, ary tahotra ny tena betsaka tamin’ireo vahoaka satria efa tsy misy ny eo an-tanana vokatra ny fihibohana nateraky ny covid-19, nefa ny rivodoza namely ihany koa. Ankoatra izay dia ny olana teto Toamasina nateraka iny rivodoza iny dia ny fahatapatapahan’ny herinaratra matetika. Efa hatramin’ny 25 desambra teo no efa nitranga izany , in-04 be izao, ny andron’ny krismasy, nefa ny toetr’andro maina be tsy nisy rivotra. Vao maraina be ny alahady teo dia efa nitsidika ireo toerana dibo-drano ny goverinoran’ny faritra Atsinanana, Atoa Rafidison Richard. Isan’ny notsidihany tamin’izany ny tao Anjoma, Tanambao II, Androranga, Andranomadio, Ambohijafy, ary ny tao amin’ny “gare routière” sy Bazary kely ary Tanambao V. Samy nilaza avokoa ny vahoaka dibo-drano vokatr’iny rivodoza iny, fa tsy hanaiky intsony izy ireo amin’ny hafitsoky ny mpanambola manampina lakan-drano hivoahan-drano eny amin’izy ireo avy. Nanamafy izany ny governoran’ny faritra, satria ny be sy ny maro no loha-laharana vao ny isam-batan’olona amin’ny toe-javatra toy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici