- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Namangy ny fianakavian’ilay voalaza fa « jiolahy » maty ny...

Imerintsiatosika : Namangy ny fianakavian’ilay voalaza fa « jiolahy » maty ny zandary

Hafahafa ! Tonga nitsapa alahelo sy niondrika teo amin’ny vata-mangatsiakan’i Livakely, ilay voalaza fa « jiolahy » nifanenjehan’ny zandary ary « maty nianjera » avy eny ambony tamboho, teny Imerintsiatosika ny sabotsy teo, ireo manampahefana isan-tokony avy eny an-toerana, izay notarihan’ny Ben’ny tanàna sy ireo Lehiben’ny mpitandro filaminana tany an-toerana omaly. « Raha tena olon-dratsy ve ity lehilahy ity, hatramin’ny oviana no namangy « jiolahy maty » ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana. Misy zavatra tsy milamina ao ary mangataka ny hamoahana izay marina izay » hoy ny hevitry ny olona maro. Izany anefa no natao, hoy izy ireo dia mba handravonana ny disadisam-piarahamonina, araka ny fombandrazana. Fa indrindra ny hoe ny malagasy tsy miady amam-paty. Na izany na tsy izany aza anefa dia « efa mizotra amin’ny antsakany sy andavany ny famotorana lalina amin’iny raharaha iny », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny zandary. Manantitra hatrany anefa ireto mpitandro filaminana ireto « fa tsy azo ekena ny fikomiana sy ny fanafihana toby, na inona antony na inona. Tsy azo ekena torak’izay ihany koa ny fanimbana fananam-panjakana ary tsy ilaina ny fitsarambahoaka fa aleo ny lalàna sy ny Fitsaràna no hanapaka. (…) Ary raha hita tokoa fa nisy ny tsy nety nataon’ny zandary tamin’iny raharaha iny dia tsy maintsy ho raisina ny andraikitra. Raha tsy mitombina kosa dia maintsy hampiharana lalàna izay nanely tsaho ary nitarika ny olona hanafika ny toby (…) » Raha tsiahivina kely ny zava-nisy dia nisy trangana savorovoro niseho tao Imerintsiatosika ary nitarika fahafatesana lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Livakely ny sabotsy teo. Fantatra fa zandary tao an-toerana no nanao izany ary izay zavatra izay no nitarika ny fahatezeran’ny olona, ho eny amin’ny tobin’ny zandary tao an-toerana hitaky izay nahavanon-doza. Rehefa niakatra teo ny hatezeran’ireo andian’olona, dia tonga tamin’ny « fanafihana ny toby sy fanimbana ireo fananam-panjakana tao ». Voatery niaro ity faritra, izay efa sokajian’ny lalàna ho « faritra mena » ireo zandary tao anatiny nampian’ny namany hafa avy aty an-drenivohitra notarihan’ny Kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo mihitsy. Na dia teo aza anefa ny tifitra sy ny baomba mandatsa-dranomaso dia soa ihany fa tsy nisy intsony ny namoy ny ainy na tamin’ny andaniny na tamin’ny ankilany. Nambaran’ny zandary taty aoriana fa « jiolahy nikasa hanafika ilay namoy ainy niantombohan’ny savorovoro ka nifanenjehana. Nianjera ary tsy tana ny ainy rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana ». Ireo fokonokolona kosa tetsy andaniny manizingizna fa tsy « jiolahy velively io lehilahy ary fantatry ny mpiara-monina rehetra. Nisy herisetra maimam-poana tao ary nitarika tamin’ny fahafatesany, antony nampitroatra ny olona ». Inoana araka izany fa ho fantatra tsy ho ela ny tena zava-misy marina mahakasika ity raharaha ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici