- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : “Kioska” iray notafihan’ny jiolahy nirongo basy

67 Ha : “Kioska” iray notafihan’ny jiolahy nirongo basy

Omaly fa hariva tamin’ny 6 ora, notafihan’ny sasany ny toeram-pivarotana fahana sy fandoavam-bola ana mpandraharaha iray eto an-drenivohitra. Voalaza fa nitondra basy ireo mpangalatra nanafika teny amin’ny 67 Ha. Maro araka ny fantatra ny zavatra lasan’ireo jiolahy. Tsy voafaritra anefa izany fa ny fanadihadiana ny tokony hahalalana izany. Tamin’io fotoana io, nisy ny nahamarika ny fisian’ireo olon-dratsy teny amin’ny manodidina nitily an’ilay teoram-pivarotana. Nisy avy hatrany ny niditra tao amin’ilay toerana talohan’ny nanidiana an’ilay fivarotana. Voaambana basy ireo rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika nanoloana izany. Ny vola no notakian’ireo mpandroba. Tsy afaka nanao na inona na inona ireo tao an-trano fa nanaraka ny fitakian’ireo jiolahy  fotsiny. Nizara roa izy ireo, ampahany ihany no niditra fa ny sasany niandry tany ivelany. Ireo nanatrika ny fandrobana no nahamarika fa nitondra entana tamin’ny sakaosy lehibe  ny  iray tamin’ireo mpangalatra.Mbola maro ny olona nivezivezy tamin’io ora io ary tsy nisy nanampo mihitsy fa hisy fandrobana eny an-toerana. Raha vao azon’ireo bandy maromaro ireo ny entana dia nizotra nihazo lalam-baovao ireo jiolahy nitondra nyzavatra azony tao amin’ilay toerana. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Na dia nisy basy aza teny amin’ireo jiolahy, tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser