Hafaliana ny an’ireto voafonja enina nahavita ny saziny ireto, ka afaka ny fonjaben’i Toamasina nanomboka ny alakamisy 31 desambra teo hatramin’ny anio sabotsy 02 janoary 2021. Raha atao ny isa dia niisa iray avy ireo afaka ny fonjaben’Ambalatavoahangy ny alakamisy 31 desambra 2020 sy ny zoma 01 janoary 2021. Miisa efatra kosa ireo voafonja ho afaka nahavita ny saziny anio sabotsy 02 janoary 2021. Raha hiverenana ny tranga nisy ny andron’ny krisimasy teo dia niisa 03 ireo voanfonja nahavita ny saziny ny 24 desambra. Niisa efatra kosa ireo voanfonja nahavita ny saziny ny 25 desambra andron’ny krisimasy, ary niisa 02 izany ny sabotsy 26 desambra teo. Ankilan’izany dia isany nahitana tranga na covid-19 koa tao Ambalatavoahangy tamin’ny fotoana nampirongatra azy betsaka teto amintsika ireny, ka voafonja niisa 40 teo no tratra tamin’izany. Nahazo ny fitsaboana sahaza azy tao am-ponja ihany izy ireo saingy natokana efitra avokoa izay tratra mba tsy hamindra amin’ny namany. Tsy nisy ny “cas grave” na izany aza ka tsy nampanano sarotra ny fitsaboana azy ireo tamin’ireo fomba fitsaboana noraisin’ny fanjakana Malagasy tamin’izany. Maro koa ireo mpandraharaha ny fonja mpiandry fonja no tratran’ny covid-19 tamin’izay, saingy efa samy nahazo ny fitsaboana azy avokoa izy rehetra ka tsy nisy ny natahorana nandritra izany. Ankoatra izany dia mitohy hatrany ny asan’ny fonja amin’ny fandraisana ireo mahazo fanafonjana vonjy maika ataon’ny fitsarana, satria na ao anatin’ny fialan-tsasatry iray volana aza ny fitsarana dia misy hatrany ny mpiandry raharaha mandritra izany.
Malala Didier